What would you like to search for?

EARTH HOUR 2023 – Des jeunes montrent la beauté de la nature à Madagascar

« Une terre, une maison », tel était le thème de la célébration de l’Earth Hour 2023 en mars dernier. Dans le cadre de cette célébration, le mur extérieur de l’EPP Antanimena III a été décoré de peintures. Une œuvre, réalisée par huit jeunes, pour montrer la beauté de la nature à Madagascar.

Quelques-uns de ces jeunes ont fait part de leurs impressions respectives.

Ilo Mandrindra RASOLOFONIRINA – Ilo Mandrindra

« Une terre, une maison » représente le nom de Madagascar. Madagascar c'est la Terre et c'est aussi la maison. Autrement dit, nous vivons tous ensemble dans une même maison et on peut dire que nous formons une seule famille. Lorsqu'une famille vit dans une maison, elle prend soin de son environnement et des choses qui se trouvent dans sa maison et sur sa terre.
Le but de ce travail est d'inciter chacun à prendre en compte l'environnement. Il est également utilisé pour attirer les gens, en particulier ceux qui ne savent pas qu'il y a beaucoup d'êtres vivants qui vivent avec nous. Après tout, il existe de nombreux animaux et plantes uniques à Madagascar que les enfants et les générations futures ne connaissent pas encore. Il est nécessaire de les informer car ils sont une ressource précieuse pour nous et ils sont menacés d'extinction à cause du changement climatique.
Ici, j'encourage chacun à utiliser ses talents et ses compétences pour inciter le grand public à respecter l'environnement. Personnellement, je dessine et peins et je vais faire prendre conscience aux gens que ces animaux existent à Madagascar et qu'il faut en prendre soin, les soigner et les soigner.
Le dernier message que je veux transmettre à tout le monde est qu'il y a beaucoup de choses naturelles qui ont été endommagées et que nous devrions les restaurer. Nous devons aussi, en particulier les jeunes, prendre soin des êtres vivants qui existent encore dans notre pays afin qu'ils ne disparaissent pas dans un avenir proche.

Michaël RAMANANJANAHARY – Ramosalà, artiste dans le domaine de la peinture et son entourage

Madagascar regorge de nombreuses belles choses naturelles, qui vivent avec nous sur cette Terre unique. Le tableau est un aperçu de la nature : « nous sommes là, nous existons, et nous ne sommes qu'une Maison, une Maison vit ».
La raison qui m'a poussé à y participer est de montrer l'apport de l'art dans l'éducation, la sensibilisation et le développement de la ville.
Connaître et respecter l'environnement ! Une terre, une maison, un art !

Amboara ANDRIATONGARIVO Adhara, « Artiste multidisciplinaire »

"Cette peinture a été réalisée pour rappeler que la Terre est commune, non seulement aux humains, la Terre ne nous appartient pas seulement, mais elle est commune aux animaux et à tous les êtres vivants. Si nous détruisons, tout le monde est une "victime". Il est juste que le monde qui nous entoure soit protégé et nourri. C'est aussi un avantage pour nous d'avoir des espèces d'animaux et de plantes que l'on ne trouve qu'ici à Madagascar, une autre raison importante pour laquelle nous devons en prendre soin car elles sont notre richesse.
Je veux participer à la protection de l'environnement, c'est un devoir, et je veux aussi donner l'exemple aux jeunes pour qu'ils y participent. Lorsqu'il n'est pas nuisible, il participe déjà à la protection. Si vous avez des compétences, des talents ou des dons, c'est bien si vous les partagez avec la terre et l'environnement, quand vous nous voyez le faire, d'autres veulent le faire aussi."

Ny Antsa Raoël RANDRETSAMANANA Ny Antsy Raoël, artiste peintre aquarelliste

"La peinture que nous avons faite à Antanimena est une prise de conscience et une information pour tous que nous ne sommes pas les seuls humains vivant sur cette Terre. Nous devons respecter la société avec la nature parce que nous semblons les détruire.
C'est une responsabilité humaine d’informer qu'il y a des animaux qui ne peuvent être trouvés qu'à Madagascar. Ils sont un grand trésor pour nous et doivent être protégés.
C'est ce qui m'a motivé à participer à cette peinture car j’ai utilisé le talent que j'avais pour apporter ma contribution à la nature. L'environnement est très précieux, mais il est en train d'être détruit. L'air est sale, il y a aussi la question de la pollution. Les gens détruisent la forêt parce qu'ils cherchent un peu d'argent qui ne dure pas longtemps mais ils détruisent des arbres qui sont des ressources précieuses.
Mon message est qu’en tant qu’êtres humains, nous devrions d'abord protéger l'environnement, mais il semble que nous le détruisions. Il y a ceux qui essaient de protéger l'environnement, mais il y a aussi ceux qui ne sont pas encore conscients et le détruisent. Nous devons être conscients et nous devons trouver d'autres solutions telles que l'écotourisme pour gagner de l'argent mais pas pour détruire la nature."


 

ADINY IRAY HO AN'NY TANY 2023 - Mampiseho ny hakanton’ny zavaboary eto Madagasikara ny tanora


“Tany iray, trano iray”, izany no lohahevitra nibanjina tamin’ny fankalazana ny Adiny iray ho an’ny Tany 2023 ny volana martsa lasa teo. Ao anatin’izany fankalazana izany indrindra dia noravahana sarisary hosodoko ny rindrina ivelan’ny EPP Antanimena III. Sanganasa iray, niarahan’ny tanora valo mianadahy natao, ho fanehoana ny hakanton’ny zava-boahary misy eto Madagasikara.
 
RASOLOFONIRINA Ilo Mandrindra – Ilo Mandrindra

“Ny hoe « Tany iray, Trano iray » dia misolotena ny anaran'i Madagasikara. Madagasikara ilay Tany ary izy koa ilay trano. Izany hoe isika rehetra dia miara miaina ao anaty trano iray ary azo lazaina hoe fianakaviana iray. Rehefa monina anaty trano iray ny fianakaviana dia mikolokolo, mandrindra ny manodidina azy sy ireo zavatra misy ao an-tranony sy eo amin’ny taniny.
Ny antony nanaovana io sanganasa io dia ho fanentanana ny rehetra hikajy ny tontolo iainana. Entina ihany koa hanintonana ny olona, indrindra ireo izay tsy mahalala fa misy zavamananaina maro miara-monina amintsika. Betsaka tokoa mantsy ny biby sy ny zava-maniry mampiavaka an'i Madagasikara mbola tsy fantatr'ireo ankizy sy ireo taranaka taty aoriana. Ilaina ny mampahafantatra azy ireny satria harena sarobidy amintsika ary atahorana ho lany tamingana noho ny fiovaovan’ny toetrandro.
Eto aho dia mandrisika ny olona tsirairay avy hampiasa ny talenta sy ny fahaiza-manaony mba entina hanentanana ny sarababem-bahoaka hanaja ny tontolo iainana. Ny ahy manokana izao dia sary sy hosodoko no aiko ary hoentiko manintonana ny olona hoe misy an'ireto biby ireto eto Madagasikara ka ilaina ny mikolokolo azy, ny mikajy azy ary ny mitsabo azy.
Ny hafatra farany tiako ampitaina amin'ny olona rehetra dia ny hoe, efa betsaka ireo zava-boahary simba ka tokony harenintsika izy ireny. Tokony ihany koa, indrindra isika tanora, hikolokolo ireo zavamananaina mbola misy eto amintsika mba tsy ho lany tamingana atsy aoriana kely atsy.”
 
RAMANANJANAHARY Michaël – Ramosalà, mpanakanto amin’ny sehatry ny Sary sy Hosodoko ary izay manodidina azy.

“Trano iray, Tany iray”. Feno zava-boahary kanto dia kanto maro i Madagasikara, izay miara-monina amintsika eto ambon'ity Tany tokana ity. Topi-maso avy amin’ny natiora ilay hosodoko manao hoe: “ireto izahay, misy izahay, ary Trano tokana ihany no misy antsika, velona iray Trano.”
Ny antony naharisika ahy nandray anjara tamin’izy ity dia ny mba ampisehoana ny anjara birikin'ny zava-kanto amin’ny fampianarana, fanentanana ary ny fampandrosoana ny tanàna.
Fantaro ka hajao ny tontolo iainana! Tany iray, Trano iray, Kanto iray!
 
ANDRIATONGARIVO AmboaraAdhara, « Artiste multidisciplinaire »

“Natao io hosodoko io ho fampatsiahivana fa iraisana ny Tany, tsy an'ny olombelona irery, tsy an'ny tenantsika irery ny Tany fa iraisana amin'ny biby sy ny zavamananaina rehetra. Raha manimba isika dia miara "victime" avokoa ny rehetra. Rariny raha arovana sy kolokoloina ny tontolo manodidina antsika. Tombony ho antsika koa ny fananana karazana biby sy zava maniry tsy misy afa-tsy eto amintsika eto Madagasikara ihany, antony lehibe hafa tokony hikajiantsiaka azy ireo satria harenantsika izany.
Te handray anjara amin'ny fiarovana tontolo iainana aho, adidy mihitsy izany, ary te hanome ohatra ho an’ny tanora ihany koa handray anjara amin'izany. Rehefa tsy manimba mantsy dia efa mandray anjara ho amin ny fiarovana. Raha manana fahaiza-manao na talenta na fanomeza-pahasoavana dia tsara raha mizara ho an'ny tany sy ny tontolo iainana, rehefa mahita antsika manao ny hafa dia te hanao ihany koa.”
 
RANDRETSAMANANA Ny Antsa RaoëlNy Antsy Raoël, mpanakanto, mpanao hosodoko "aquarelle"

“Ny hosodoko izay nataonay teny Antanimena dia fanentanana sy fampahafantarana ny olona rehetra hoe tsy isika olombelona irery no mipetraka eto amin'ity Tany ity fa toerana ifampizarantsika amin'ireo biby sy zava-maniry isan-karazany. Mila hajaina izay fiarahamonina miaraka amin’ny zava-boahary izay satria isika mantsy toa manimba azy ireny.
Andraikitra amin'ny maha olombelona ny mampahafantatra fa misy ireo biby izay tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ihany. Harena lehibe ho antsika izy ireo ary tokony arovana.
Izay indrindra no naharisika ahy handray anjara amin’ity hosodoko ity satria nampiasaiko ny talenta izay nananako mba hitondrako ny anjara birikiko ho an'ny natiora. Sarobidy tokoa mantsy ny tontolo iainana, nefa dia mia-potika. Maloto ny rivotra, eo ihany koa ny resaka dorotanety efa mirongatra. Simbain'ny olona ny ala satria itadiavany vola kely tsy maharitra ela akory nefa namotehana hazo izay harena lafo vidy.
Ny hafatro dia hoe amin’ny maha olombelona dia isika no tokony hiaro ny tontolo iainana voalohany nefa toa isika indray no manimba ilay izy. Misy ihany ireo miezaka miaro ny tontolo iainana nefa dia eo foana ihany koa ireo mbola tsy tonga saina ka mamotika izany. Mila tonga saina isika ary mila mitady vahaolana hafa toy ny “écotourisme” itadiavana vola fa tsy voatery manimba ny natiora.”