The WWF is run at a local level by the following offices...
- WWF Global
- Adria
- Argentina
- Armenia
- AsiaPacific
- Australia
- Austria
- Azerbaijan
- Belgium
- Bhutan
- Bolivia
- Borneo
- Brazil
- Bulgaria
- Cambodia
- Cameroon
- Canada
- Caucasus
- Central African Republic
- Central America
- Chile
- China
- Colombia
- Croatia
- Democratic Republic of the Congo
- Denmark
- Ecuador
- European Policy Office
- Finland
NY ROHIVOARY HONKO
Gazety boky miresaka momba ny honko sy ny tontolony: jolay 2024
Manana zavaboary miavaka i Madagasikara, manana karazana rohivoary maro ihany koa izy na ny an-tanety na ny an-dranomasina.
Azo ambara fa mbola vitsy anefa ny boky amin’ny fitenin-tsika izay natao ho fampahafantarana amin’ny fomba tsotra ireo zavaboary sy rohivoary an-dranomasina ireo. Anisan’ny antoka hampiova sy hanatsara ny fomba fijery ary hanamafy ny fandresen-dahatra sy ny finiavana ary ny fomba fandraisana andraikitra hiaro sy hikajy ny tontolo iainana ny fananana fahalalana mikasika izany.
Ho fanohizana ny ezaka irahamanana dia hafaliana ho anay ny namolavola sy manolotra ity boky “Ny rohivoary honko” ity ho anareo. Novokarina tato anatin’ny tetik’asa “mangroves for community and climate” na koa amin’ny teny Malagasy “ Ala honko ho an’ny mponina sy ny toetr’andro”, eto anivon’ny WWF, mba ho fanamafisana ny ezaka ho fampahafantarana ny rohivoary honko sy ny fanentanana ny olona isan tsokajiny amin’ny fiarovana sy fanajariana azy.
Novolavolaina indrindra izy ity ho an’ny zaza, tanora ary ho an’ny olona izay tsy voatery ho manana na mila fahalalana aratsiantifika lalina. Noezahina natao an-tsokajiny ny hevitra tiana hozaraina manomboka amin’ny fampahafantarana ankapobeny ny ala honko, ny karazan-javaboary izay mampiavaka azy, ny mahazavadehibe azy, ny olana sedrainy sy ny tokony hatao hiarovana sy
hanajariana azy. Noezahina ho boky fialamboly ihany koa, ary noho izany dia nanokanana pejy ahafahana manao lalaon-tsaina nefa manamafy ny fahalalana mikasika ny rohivoary honko.
Koa mazotoa mamaky!

Read the full publication
Magazine mangroves